Abijah King of Judah
1. Now in the eighteenth year of king Jeroboam began Abijah to reign over Judah.
1. La dix-huitième année du règne de Jéroboam, Abija régna sur Juda.
1. Ary tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan' i Abia tamin' ny Joda.
2. He reigned three years in Jerusalem. His mother's name also was Michaiah the daughter of Uriel of Gibeah. And there was war between Abijah and Jeroboam.
2. Il régna trois ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Micaja, fille d`Uriel, de Guibea. Il y eut guerre entre Abija et Jéroboam.
2. Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny koa dia Mikaia, zanakavavin' i Oriela, avy any Gibea. Ary nisy ady tamin' i Abia sy Jeroboama.
3. And Abijah set the battle in array with an army of valiant men of war, even four hundred thousand chosen men: Jeroboam also set the battle in array against him with eight hundred thousand chosen men, being mighty men of valour.
3. "Abija engagea les hostilités avec une armée de vaillants guerriers, quatre cent mille hommes d`élite; et Jéroboam se rangea en bataille contre lui avec huit cent mille hommes d`élite, vaillants guerriers."
3. "Ary Abia nandahatra ny mpiady, dia miaramila mahery fo efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy miaraka amin' ny lehilahy valo hetsy voafantina, dia lehilahy matanjaka sy be herim-po."
4. And Abijah stood up upon mount Zemaraim, which is in mount Ephraim, and said, Hear me, thou Jeroboam, and all Israel;
4. Du haut du mont Tsemaraïm, qui fait partie de la montagne d`Éphraïm, Abija se leva et dit: Écoutez-moi, Jéroboam, et tout Israël!
4. Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima izay any amin' ny tendrombohitra Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
5. Ought ye not to know that the LORD God of Israel gave the kingdom over Israel to David for ever, even to him and to his sons by a covenant of salt?
5. Ne devez-vous pas savoir que l`Éternel, le Dieu d`Israël, a donné pour toujours à David la royauté sur Israël, à lui et à ses fils, par une alliance inviolable?
5. Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an' i Davida mandrakizay ny fanjakan' ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin' ny fanekena nasian-tsira.
6. Yet Jeroboam the son of Nebat, the servant of Solomon the son of David, is risen up, and hath rebelled against his lord.
6. Mais Jéroboam, fils de Nebath, serviteur de Salomon, fils de David, s`est levé et s`est révolté contre son maître.
6. Nefa kosa Jeroboama, zanak' i Nebata, mpanompon' i Solomona, zanak' i Davida, nitsangana ka niodina tamin' ny tompony.
7. And there are gathered unto him vain men, the children of Belial, and have strengthened themselves against Rehoboam the son of Solomon, when Rehoboam was young and tenderhearted, and could not withstand them.
7. Des gens de rien, des hommes pervers, se sont rassemblés auprès de lui et l`ont emporté sur Roboam, fils de Salomon. Roboam était jeune et craintif, et il manqua de force devant eux.
7. Ary nisy olom-poana, zanak' i Beliala niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak' i Solomona raha mbola zaza sy tanora fanahy Rehoboama ka tsy nahatohitra azy.
8. And now ye think to withstand the kingdom of the LORD in the hand of the sons of David; and ye be a great multitude, and there are with you golden calves, which Jeroboam made you for gods.
8. "Et maintenant, vous pensez triompher du royaume de l`Éternel, qui est entre les mains des fils de David; et vous êtes une multitude nombreuse, et vous avez avec vous les veaux d`or que Jéroboam vous a faits pour dieux."
8. "Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan' i Jehovah, izay eo an-tanan' ny taranak' i Davida; ary ianareo dia marobe, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon' i Jeroboama ho andriamanitrareo."
9. Have ye not cast out the priests of the LORD, the sons of Aaron, and the Levites, and have made you priests after the manner of the nations of other lands? so that whosoever cometh to consecrate himself with a young bullock and seven rams, the same may be a priest of them that are no gods.
9. N`avez-vous pas repoussé les sacrificateurs de l`Éternel, les fils d`Aaron et les Lévites, et ne vous êtes-vous pas fait des sacrificateurs, comme les peuples des autres pays? Quiconque venait avec un jeune taureau et sept béliers, afin d`être consacré, devenait sacrificateur de ce qui n`est point Dieu.
9. Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron' i Jehovah, dia ny taranak' i Arona, sy ny Levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon' ny firenena amin' ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr' ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin' ireo andriamani-tsi-izy.
10. But as for us, the LORD is our God, and we have not forsaken him; and the priests, which minister unto the LORD, are the sons of Aaron, and the Levites wait upon their business:
10. Mais pour nous, l`Éternel est notre Dieu, et nous ne l`avons point abandonné, les sacrificateurs au service de l`Éternel sont fils d`Aaron, et les Lévites remplissent leurs fonctions.
10. "Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay ary ny mpisorona izay manao ny asa fanompoana ho an' i Jehovah, dia ny taranak' i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany."
11. And they burn unto the LORD every morning and every evening burnt sacrifices and sweet incense: the shewbread also set they in order upon the pure table; and the candlestick of gold with the lamps thereof, to burn every evening: for we keep the charge of the LORD our God; but ye have forsaken him.
11. "Nous offrons chaque matin et chaque soir des holocaustes à l`Éternel, nous brûlons le parfum odoriférant, nous mettons les pains de proposition sur la table pure, et nous allumons chaque soir le chandelier d`or et ses lampes; car nous observons les commandements de l`Éternel, notre Dieu. Et vous, vous l`avez abandonné."
11. "Ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an' i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin' ny latabatra madio; ary ny jiro koa ampirehetiny isan-kariva ao amin' ny fanaovanjiro sy ny lela fanaovanjirony; fa izahay mitandrina izay nasain' i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy."
12. And, behold, God himself is with us for our captain, and his priests with sounding trumpets to cry alarm against you. O children of Israel, fight ye not against the LORD God of your fathers; for ye shall not prosper.
12. Voici, Dieu et ses sacrificateurs sont avec nous, à notre tête, et nous avons les trompettes retentissantes pour les faire résonner contre vous. Enfants d`Israël! ne faites pas la guerre à l`Éternel, le Dieu de vos pères, car vous n`auriez aucun succès.
12. Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo. Ry Zanak' Isiraely ô, aza miady amin' i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, fa tsy hambinina ianareo.
13. But Jeroboam caused an ambushment to come about behind them: so they were before Judah, and the ambushment was behind them.
13. Jéroboam les prit par derrière au moyen d`une embuscade, et ses troupes étaient en face de Juda, qui avait l`embuscade par derrière.
13. Fa nasain' i Jeroboama nanompirana no fandehan' ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan' ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.
14. And when Judah looked back, behold, the battle was before and behind: and they cried unto the LORD, and the priests sounded with the trumpets.
14. Ceux de Juda s`étant retournés eurent à combattre devant et derrière. Ils crièrent à l`Éternel, et les sacrificateurs sonnèrent des trompettes.
14. Ary nony nitodika ny Joda, ka, indro, teo alohany sy teo aoriany ny ady, dia nitaraina tamin' i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.
15. Then the men of Judah gave a shout: and as the men of Judah shouted, it came to pass, that God smote Jeroboam and all Israel before Abijah and Judah.
15. Les hommes de Juda poussèrent un cri de guerre et, au cri de guerre des hommes de Juda, l`Éternel frappa Jéroboam et tout Israël devant Abija et Juda.
15. "Dia nihoby ny lehilahy amin' ny Joda; ary raha nihoby izy, dia izao no niseho, Andriamanitra namely an' i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan' i Abia sy ny Joda."
16. And the children of Israel fled before Judah: and God delivered them into their hand.
16. Les enfants d`Israël s`enfuirent devant Juda, et Dieu les livra entre ses mains.
16. Ary ny Zanak' Isiraely nandositra niala teo anoloan' ny Joda, fa Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tanany,
17. And Abijah and his people slew them with a great slaughter: so there fell down slain of Israel five hundred thousand chosen men.
17. Abija et son peuple leur firent éprouver une grande défaite, et cinq cent mille hommes d`élite tombèrent morts parmi ceux d`Israël.
17. "Ary Abia sy ny vahoakany nahafaty be dia be tamin' ireo; ary niampatrampatra ny fatin' ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina."
18. Thus the children of Israel were brought under at that time, and the children of Judah prevailed, because they relied upon the LORD God of their fathers.
18. Les enfants d`Israël furent humiliés en ce temps, et les enfants de Juda remportèrent la victoire, parce qu`ils s`étaient appuyés sur l`Éternel, le Dieu de leurs pères.
18. "Toy izany no nampietrena ny Zanak' Isiraely tamin' izany fotoana izany; ary ny taranak' i Joda no nahery satria niankina tamin' i Jehovah Andriamanitry ny razany izy."
19. And Abijah pursued after Jeroboam, and took cities from him, Bethel with the towns thereof, and Jeshanah with the towns thereof, and Ephrain with the towns thereof.
19. Abija poursuivit Jéroboam et lui prit des villes, Béthel et les villes de son ressort, Jeschana et les villes de son ressort, et Éphron et les villes de son ressort.
19. Ary Abia nanenjika an' i Jeroboama ka naka ny tanànany, dia Betela mbamin' ny zana-bohiny sy Jesana mbamin' ny zana-bohiny ary Efraima mbamin' ny zana-bohiny.
20. Neither did Jeroboam recover strength again in the days of Abijah: and the LORD struck him, and he died.
20. "Jéroboam n`eut plus de force du temps d`Abija; et l`Éternel le frappa, et il mourut."
20. "Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin' ny andron' i Abia; ary namely azy Jehovah, ka dia maty izy."
21. But Abijah waxed mighty, and married fourteen wives, and begat twenty and two sons, and sixteen daughters.
21. "Mais Abija devint puissant; il eut quatorze femmes, et engendra vingt-deux fils et seize filles."
21. "Fa Abia nitombo hery; ary nanambady efatra ambin' ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roapolo sy vavy enina ambin' ny folo."
22. And the rest of the acts of Abijah, and his ways, and his sayings, are written in the story of the prophet Iddo.
22. Le reste des actions d`Abija, ce qu`il a fait et ce qu`il a dit, cela est écrit dans les mémoires du prophète Iddo.
22. Ary ny asan' i Abia sisa mbamin' ny fanaony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' Ido mpaminany.